- Publicité -
dimanche, juin 8, 2025
AccueilFaits-DiversMahamasina : Folo lahy mitam-basy nanafika « patisserie »

Mahamasina : Folo lahy mitam-basy nanafika « patisserie »

Tsy alina akory fa amin’ny telo ora tolakandro, ny alahady teo, no nisy folo lahy nanafika ny toeram-pivarotana mofomamy antsoina hoe « Banana split » etsy Mahamasina. Mbola feno olona izay nanjifa tao anatiny kanefa dia sahin’ireo jiolahy mitam-basy ny niditra tao. Tsy nisy nisaron-tava ireo ary nandrahona avy hatrany izay olona rehetra tao anatin’ny toerana, isan’izany mazava hoazy, ny mpivarotra. Hitan’ireo anefa fa ho sarotra ilay fanafihana noho ny habetsahan’ny olona tao tamin’io fotoana io dia niala haingana ireo ary tsy nahavita naka na inona na inona. Tao anatin’izay anefa dia nalain’ireo ny fitaovana fandraiketana horonan-tsary na ny « caméra de surveillance » sy ny pitsony mifandraika amin’izany. Tsy zava-baovao loatra ny fanafihana mitam-basy eto an-drenivohitra sy ny manodidina azy. Fa kosa ny fahasahian’ireo olon-dratsy izay mandroba amin’ny andro atoandro ary koa ao amin’ny toerana izay be olona, no tsy dia fahita firy. Raha vao misy basy izany ny jiolahy dia tsy mifidy fotoana sy toerana hanatontosana ny asaratsiny intsony. Miverina hatrany any amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana izany ny ady raha toa ka mitady ny hampihenana ny asan-jiolahy. Na hofenoina mpitandro ny filaminana aza etsy sy eroa, raha mbola manana basy ny jiolahy dia mbola sahy hatrany ny manao fanafihana. Porofon’izany ity nitranga tamin’ny alahady ity izay tsy lavitra akory, zara raha 300 metatra amin’ny biraon’ny pôlisy no misy ny toerana izay voatafika ary toerana milamina izay tsy mba nisian’ny fandrobàna amin’ny andro atoandro izany. Ankkoatr’izay dia mbola zava-baovao koa ny fahaizan’ireo jiolahy manala ny « caméra de surveillance » sy ny fitaovana fandraiketana ny sary. Matetika izy ireo dia tsy miraharaha an’ireny loatra satria eto amintsika rehateo tsy dia misy fitaovana hahafahana manao fanamarinana avy hatrany izay sary mandeha. Izao kosa anefa dia ireny indray no hesorin’izy ireo mialoha. Misy fiovany hatrany ny fomba fanafihana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici