Ny roa voasambotra no nofatorana ho hitan’ny rehetra, ireo namany kosa tafatsoaka. Roa lahy, isan’ny ikoizana amin’ny famakiana trano ary nampikaikaika ireo mponina teny amin’iny faritra Mahamasina iny tokoa no voasambotry ny fokonolona, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Araka ny angom-baovao azo, dia teo am-pikasana ny hamaky tranon’olona mihitsy izy ireo sy ny namany no niantso vonjy haingana ireo lasibatra. Tsy toy ny amin’ireo tanàna hafa, izay vao mijery fotsiny ny ataon’ny sasany na vao mainka manamafy hidy trano anefa ireo mponina teny amin’iny faritra iny fa niara-nirohatra, nivoaka ary namonjy ilay tokantrano saika hotafihana. Tsy namelan’ireo fokonolona raha tsy voasambotra ny sasany tamin’ ireo mpamaky trano. Mbola tratra tany amin’ireto farany moa ny entana izay nangalariny tamin’ilay tokantrano niaraka tamin’ny fitaovana fentin’izy ireo manao ny asa ratsiny. Nofatoran’ireo fokonolona izy roa lahy ireto ary naseho ho hitan’ireo mponina teny an-toerana. Mazava ho azy, fa ny sasany tamin’ireo nahasambotra izay efa leo tanteraka tamin’ity resaka tsy fandriampahelamana ity, dia efa nidaroka ireto mpanao ratsy ireto. Ary taorian’izay dia natolotra teny anivon’ireo mpitandro filaminana. Raha ny fokonolona eny amin’ireny fokontany isan-karazany ireny tokoa no miray hita tahak’izao, fa tsy voatery hiandry na hiankina foana amin’ireo mpitandro filaminana, dia ho foana tsikelikely ity resaka tsy fandriampahelamana ity.
m.L