
Ankoatry ny fanafihana mivantana dia isan’ireo olona goavana sedrain’ireo mpanao « cash point » ireo ny karazana soloky maro tsy tambo isaina ataon’ireo olon-dratsy. Anisan’izany ity niseho teo Mahamasina ny andron’ny talata lasa teo ity. Araka ny fampitam-baovaon’ny pôlisy dia « cash point » iray teny an-toerana indray no saika voasoloky tamin’ny alalan’ny vola sandoka, nataona lehilahy iray. Soa ihany, mailo ilay mpitantana ka tsy afa-niala ilay olon-dratsy. Vola manodidina ny iray hetsy ariary teo ho eo no nolazain’ity mpisoloky fa apetraka ao anatin’ny « compte »-ny. Ravim-bola roa alina ariary miisa dimy izy ireo. Ka ny hafetseny, raha ny fanazavana nomen’ny polisim-pirenena dia ny iray tamin’ireo ravi-mbola ireo ihany no tena izy fa ny sisa ambiny vola sandoka avokoa. Voamarik’ilay mpitantan’ilay « cash point » ka avy hatrany notazomina sy niantsoana pôlisy avy hatrany ity lehilahy nitetika ny hitsentsitra ny hatsembohan’ny hafa ity fotsiny. Noraisim-potsiny ary nosamborina avy hatrany ingahirainy. Raha ny fanazavana azo dia mety efa fomba fanaon’ingahy ity fisolokiana amin’ny alalan’ny vola sandoka ity. Efa mandeha moa ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity, izay sahanin’ireo pôlisy avy etsy anivon’ny kaomisarian’ny boriboritany fahadimy etsy Mahamasina.
m.L