- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversMahamasina : Lehilahy saika hangalatra fiara nodarohan’ny olona

Mahamasina : Lehilahy saika hangalatra fiara nodarohan’ny olona

Ny talata lasa teo, teny Mahamasina, nisy fiaran’ny orinasa Jirama nijanona tamin’ny sisin-dalana. Nisy lehilahy iray nahita fa tsy nisy olona tao ka avy dia niditra tao anatiny ary voalazan’ny vaovao fa namelona ilay fiara. Tsy fantatra na saika hangalariny na ahoana fa rehefa avy eo dia natosiny ilay fiara, hoy hatrany ny vaovao voaray. Hitan’ny olona izany zavatra izay ka nisy ny nanakana azy ary dia niharan’ny daroka teo ilay lehilahy. Naratra vokatr’izany izy. Tonga ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-5 ary nitondra azy avy hatrany. Rehefa nosavaina ny kitapo teny aminy dia toa zavatra hafahafa no hita tao. Tetsy an-daniny, nisy ireo nilaza fa toe tsy dia salama saina ity olona ity. Teo anatrehan’ny zava-nitranga, tsy nanaiky ny tompon’ny fiara fa nampiakatra ny raharaha eny amin’ny fitsarana. Omaly alakamisy no niatrika ny Fampanoavana ity lehilahy ity.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici