Niafara tamin’ny fahafatesany mihitsy ny vono nahazo ity mpanampy mpamily iray, tetsy Mahamasina, iray volana lasa izay. Araka ny fitantaran’ny fianakaviany dia nangatahin’ny lehilahy iray vola ity mpanampy mpamily ity, ary rehefa tsy nanome dia norahonany. Tsy vitan’izany fa mbola nampiharany herisetrany ihany koa. Raha ny filazan’ireo nanatri-maso dia novoiny ary nakarapokany tamin’ny tany ity olona ity, ary izany no nahavaky ny lohany. Teo no ho eo dia nalefa tany amin’ny toeram-pitsaboana ity farany. Tsy tana anefa ny ainy herinandro taorian’ny ratra mafy nahazo azy, ka maty io zalahy io. Tsy nampoizin’ilay mpampihorohoro moa izao fahasarotana vokatry ny nataony izao ka nitsoaka avy hatrany izy. Nisy ny fitarainana nataon’ny fianakavian’ity tra-manjo, ary niroso tamin’ny fanadihadiana mahakasika azy ny mpitandro ny filaminana . Araka ny vaovao voaray dia teny Ambatomaro no nisy azy ary nony fantany izao fanenjehana azy izao dia nitsaoka teny Androhibe izy. Teny no nahatratrarana azy. Niakatra fitsarana ny zoma lasa teo ity mpampihorohoro, vokatry ny nataony, ary fantatra fa naiditra am-ponja avy hatrany. Marihina moa fa lehilahy efa rain-dahiny amin’ny fanaovana asa fampihorohoroana tahaka izao ity lehilahy ity.
Ornella (stagiaire)