Tsy niandry ela dia voasambotra, satria efa feno mpitandro ny filaminana, na manao sivily izany, na manao fanamiana, nivezivezy tao antin’ireo toerana be olona izay heverina fa atahorana hisy korontana. Lehilahy enina, mamon-drongony, no nila valiny ary nidaroka izay sendra azy tetsy Mahamasina, tao anatin’ny olona marobe tonga nijery afomanga. Nisy zazakely nianjera vokatry ny tsy nety nataon’ireo andian-dehilahy ireo. Io no isan’ny nampisafaoka ny olona ka nampandre ny mpitandro ny filaminana. Rehefa tena nojerena tokoa dia mamon-drongony ireo lehilahy ka lasa nanao herisetra. Tsy nilaozan’ny misy toy izany isaky ny misy fety eto an-drenivohitra. Ny antony dia toa tsy fety ny fety raha tsy mamo (na toaka na rongony), ho an’ny olona sasany. Mora loatra ihany koa ny mahita an’izany hany ka mainka mandrisika ny olona hisotro eny amin’ny toerana tsy voatokana ho an’izany.
D.R