Isaky ny tsena, ny alakamisy, eny Mahamasina dia misy hatrany ny hetsika ataon’ny polisy ao amin’ny boriborintany faha-5 eny an-toerana amin’ny fisamborana ireo mpanendaka, mpangarom-paosy sy mpangalatra anaty fiara. Tamin’ny farany teo, enina be izao indray no voasambotra ka ny efatra tamin’izy ireo dia tsy ampy taona. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa ny iray amin’izy ireo dia vao avy nisazy teny Anjanamasina. Vao nivoaka anefa izy dia izao tratra izao indray. Teo am-panaovana ny asa ratsiny ry zalahy ireto no nosamborina, tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro, teo am-pangalarana elo. Manamarika ny mpitandro filaminana fa isaky ny tsena dia mahasambotra mpanendaka foana izy ireo. Tamin’ny fanadihadiana azy ireo no nilazany fa mahazo vola 60 000 ariary ka hatramin’ny 100 000 ariary isaky ny tsena ireo mpangalatra ireto. Telefonina sy poketra no tena lasibatr’izy ireo. Mangalatra anaty fiara koa ry zalahy. Ankoatra ny eny antsenan’i Mahamasina dia mamely eny amin’ny fiantsonan’ny taxi-be Anosy, Isotry, Tsaralalana. Efa ananan’ny polisy dosie ny ankamaroan’ireto mpisam ireto.
Ho an’ireo tsy ampy taona voasambotra dia efa nalefa eny amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona izy ireo. Omaly zoma no natolotra ny Fampanoavana daholo ireto mpangalatra ireto.
Nangonin’i r.s.