Olona folo ka vehivavy ny iray, no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Boriborintany fahadimy etsy Mahamasina, teo am-pangalarana « câble Telma » teny amin’ny fokontany Mananjary, nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo, ny talata 15 martsa vao maraim-be tokony ho tamin’ny 02 ora. Tratra niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny « câble cuivre » 50Kg. Rehefa nampilazana moa ny avy ao amin’ny Telma, dia tonga teny amin’ny biraon’ny polisy nametraka fitoriana sy nanamarina fa an’ny orinasa tokoa ireo « cable » ireo. Tmin’ny famotorana natao an’ireo olona ireo no nahalalana, fa ireny tariby milevina any ambanin’ny tany ireny no angalariny ary ela no nanaovany an’izany. Nitohy ny fanadihadiana ka tamin’izany no no nanoroan’ireo voasambotra ny olona mpandray ny « entana » Nosamborina teny Ankadimbahoaka ny lehilahy roa mpividy ny halatra.
Omaly alarobia no natolotra ny Fampanoavana ireto mpangalatra ireto.
r.s.