- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversMahamasina : Mpangarom-paosy enina vosambotra

Mahamasina : Mpangarom-paosy enina vosambotra

Mpangarom-paosy miisa enina indray no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny boroborintany faha-5 tamin’ny alakamisy teo, andro tsena eny Mahamasina. Voa 13 taona ny roa amin’izy ireo. Tsy mijanona ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny famongorana ny asa ratsin’ny mpisam sy mpanao sinto-mahery isan-karazany eny an-toerana. Maro dia maro ny fitarainana voarain’ny mpitandro filaminana. Polisy nanao fanamiana sivily no nahasambotra azy ireo ary samy tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny avokoa izy rehetra ireo. 13 taona ka hatramin’ny 29 taona ny salan-taonan’izy ireo. Omaly no natolotra ny Fampanoavana izy ireo.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser