Lehilahy iray 36 taona mpisoloky raindahiny amin’ny resaka volamena sandoka no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria Mahamasina. Ny asabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro dia tonga nametraka fitoriana tao amin’ny biraon’ny Polisy Mahamasina ny lehilahy iray nilaza fa nosolokiana lehilahy iray tamin’ny volamena sandoka. Tsy niandry ela ny Polisy fa nanokatra fanadihadiana sy nikaroka ity mpisoloky ity. Nisy ny vela-pandrika natao mba nahafahana nahita sy nisambotra azy. Fantatra tamin’ny famotorana natao taminy fa olona avy any Taolagnaro no naniraka azy itondra ireo volamena ireo amidy aty an-drenivohitra. Ary tsy vao izao izy ireo no nanao izany asa ratsy izany fa efa am-bolana maromaro ary efa betsaka ireo olona efa voafitaka tamin’izany. Rehefa nosavaina ity lehilahy ity dia mbola nahitana ireo vovoka volamena hosoka teny aminy. Niaiky ny heloka nataony ity lehilahy ity . Natolotra ny Fitsarana omaly izy, ary naiditra am-ponja vonjimaika.
D.R