Vao maraina omaly dia efa nisahotaka ny tetsy Mahamasina. Izany dia noho ny fahitana grenady « offensive » teo amoron-dàlana ; izay tsy mifanalavitra ny vavahady lehibe izay miditra ao amin’ny kianja. Ny tompon’andraikitry ny fiambenana ny toerana no nahita an’izany voalohany, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany. Nampandrenesin’izy ireo avy hatrany ny polisy; izay eo am-pita eo rahateo. Ireo farany indray no nampandre ny mpitandro ny filaminana, ny miaramila raha ny marimarina kokoa izay manam-pahaizana amin’ny famehezana ny baomba mba tsy hipoaka. Nentin’ireo miaramila izay tompon’andraikitra amin’izany ilay grenady ary heverina fa hapoakan’izy ireo any amin’ny toeran-kafa, toa ny fanao mahazatra rehefa misy ny tranga toy izao. Tonga teny an-toerana koa ny zandary nijery ifotony mba hanaovana tatitra. Inona indray ny tanjona tamin’ity fametrahana grenady ity ? Mananontanona indray ve ny asa fanakorontanan-tsaina ny olona amin’izao an-katoky ny fifidianana izao ?
D.R