- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversMahamasina : Nisy nandroba tao amin'ny kianjan'ny Barea

Mahamasina : Nisy nandroba tao amin’ny kianjan’ny Barea

Niandry ny misasak’alina izy dimy lahy ireto vao sahy namoaka ireo vy maromaro izay fitaovana entina hanamboarana ny kianja barea etsy Mahamasina. Ny polisy manao fisafoana manodidina ny kianja no nahatsikaritra azy ireo nibata vy mivoaka ny kianja. Tsy nisalasala ny mpitandro filaminana nanakana ireto tovolahy ireto ary nentina nohadihadiana avy hatrany. Tsy nisy afaka nandainga izy ireo satria tratra ambodiomby nangalatra ireo vy ary rehefa natolotra ny fitsarana dia nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora. Somary goragora fiambenana ny kianja matoa tafiditra ireto mpangalatra ary tsy lavitra ny kaomisaria. Tetik’asa goavana eto amintsika ary andaniana volabe, kanefa anaovan’ny sasany tantely afa-drakotra. Toe-javatra tahaka izao no tsy mampandroso ny firenena. Soa ihany fa nisy ny polisy nanao ny asany, raha tsy izany mety niverimberina teny ireo olon-dratsy hangalatra ny fitaovana entina hamitana ny kianja.

D.R

 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici