Raha ny hijery fifaninanana « rallye » no nahatongavan’ny rehetra tetsy Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny an’ity rangahy iray ity kosa dia hafa mihitsy ny zava-nokendreny. Satria dia ilay fiara mpanao fifaninanana mihitsy no nokasainy ho nentina sy nangalariny. Araka ny fanazavana azo, dia efa tao anatin’ny fiara, ary toa efa saika hamelona an’izany mihitsy ity farany no tratran’ny tompon’ny fiara. Nosamborina avy hatrany ity rangahy saika hangalatra fiara mpanao fifaninanana ity. Mbola sarona teny aminy moa ilay lakile saika hamelomany an’ilay fiara. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny polisy kaomisarian’ny boriborintany fahadimy tetsy Mahamasina moa ity rangahy saika hangalatra fiara ity. Saingy navotsotra rehefa hita fa … olona tsy dia salama saina loatra. Raha ny fanazavana azo avy tamin’ny tompon’andraikitra tokoa, dia manana aretin-tsaina ity rangahy ity. “Nandritra ny famotorana azy tamin’ny zavatra nataony izy dia nilaza fa, saika hitondra ity fiara ity satria azy ilay fiara. Teo no nahatsapana fa olona tsy dia salama saina izy”. Nanamarina izany rahateo moa ireo fianakaviany tonga teny amin’iny biraon’ny pôlisy, nitondra ireo taratasy fanamarinana avy amin’ireo dokotera efa nitsabo azy teo aloha. Nilaza ihany koa ireto farany, fa tia loatra ity fifaninanana fiarakodia ity izy, ary io no alefa hojereny rehefa tiana hipetraka ao an-trano ilay rangahy. Teo anatrehan’izay moa dia tsy nametraka fitoriana akory mahakasika ity tranga ity ilay tompon’ny fiara.
m.L