- Publicité SW45 -
samedi, juin 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahamasina : Tanora 24 taona matin'ny mpanendaka

Mahamasina : Tanora 24 taona matin’ny mpanendaka

Jiolahy maromaro no nanaraka azy avy taoriana. Tao anatin’ny fotoana fohy dia nampiasa herisetra ireo mba hangalàna ny finday sy ny kitapo teny amin’ilay tovolahy. Raha araka ny fantatra dia vola mitentina iray hetsy ariary no lasan’izy ireo. Ilay lehilahy kosa naratra mafy ary nitarika ny fahafatesany ny fahavoazana nanjo azy. Izany herisetra miampy vonoan’olona izany no nitranga tetsy Mahamasina ny alin’ny talata teo. Manodidina ny tamin’ny valo ora alina, raha nandalo teny an-toerana ity tovolahy ity no nohararaotin’ireo mpamono olona nanamparana ny habibiany. Vola izay hizara maromaro ary heverina fa ho lany amin’ny toaka indray alina fotsiny ary finday izay hamidy mora eny amin’ny mpandray halatra, izay no antony namonoana ilay tanora. Io farany izay manana ho avy mamiratra, satria ankoatra ny fianarana ambony norantoviny dia efa nisokatra tsikelikely ho azy ny sehatry ny asa. Tsy vitan’izany fa ao anatin’ireny fikambanana miompana amin’ny asasoa ireny izy. Izany zavatra rehetra efa nisoritra izany dia maloka tao anatin’ny indray mipi-maso monja. Ontsa sady nihorohoro ny olom-pantany. Oviana ihany izany vao mba hiaina am-pilaminana ny mponin’andrenivohitra manoloana ny afitsoky ny jiolahy? Vao mody ny masoandro dia efa tsy milamin-tsaina intsony raha tsy ao an-trano, ankoatra ireo izay manana mpiambina manokana angamba na koa manana fitaovam-piadiana. Ny antoandro indray dia kaodikaody avokoa ny eny an-dalambe noho ny harom-paosy sy ny mpanendaka. Vao tamin’ity herinandro ity koa no nisy voaendaka amin’ny andro antoandro, tokony ho amin’ny efatra ora, teo Analakely. Ramatoa izay vao avy niantsena no niharan’ny herisetra mba nahazoana ny poketrany izay sady nisy vola no nisy finday. Tsy nisy sahy namonjy ny olona noho ny tahotra sao ho voatsindrona antsy. Mila haparitaka erak’Antananarivo ny mpitandro ny filaminana manao fanamiana sivily ary manara-maso sy miditra an-tsehatra raha ilaina, mba hiarovana ny olona sy ny fananany.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici