- Publicité -
dimanche, mai 18, 2025
AccueilFaits-DiversMahamasina : Telolahy mpangalatra zavatra anaty kitapon’ny mpianatra voasambotra

Mahamasina : Telolahy mpangalatra zavatra anaty kitapon’ny mpianatra voasambotra

Lehilahy telo mangalatra zavatra anaty kitapon’ny mpianatra manao fanatanjahantena eny Mahamasina, no fantatra fa voasambotra, omaly maraina tamin’ny 8 ora teny an-toerana. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa mody mihaodihaody eny ry zalahy ireo ary rehefa variana ny ankizy, dia misavasava ireo fitaovana mipetraka izy ireo. Omaly, nisy nahatsikaritra anefa ny zavatra nataon’ireto mpangalatra ireto, ary dia nandray fepetra ireo ankizy nandroaka an-dry zalahy hiala ny faritra. Rehefa vita ny fanatanjahantena, nisy mpianatra iray nahatsapa fa tsy tao intsony ny telefaonina. Ireo telolahy tsy mbola lasa lavitra. Avy hatrany dia raikitra ny fanenjehana ka tratra ny roalahy. Tamin’izay, latsaka avy any am-paosin’ny iray ilay finday. Tsy afaka namaly itnsony izy ireo ary nanoro ny toerana misy ny namany fahatelo. Voasambotra ihany koa ilay izy. Marihana, fa ireo mpianatra no nisambotra an’ireo mpangalatra. Tsy nisalalasa ireo ankizy nitondra ireo olon-dratsy tao amin’ny kaomisaria Mahamasina.

Rehefa nofotorana ireto olona ireto, dia nilaza fa efa ho taona iray izay no niarahan’izy ireo nangalatra, ka lasibatra tamin’izany ny mpianatra manao fanatanjahantena. Eo amin’ny manodidina ny 30 taona eo avokoa izy ireo. Omaly no natolotra ny Fampanoavana ry zalahy ireo.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser