- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversMahamasina : Tovovavy kely voeandaka volamena

Mahamasina : Tovovavy kely voeandaka volamena

Ny antoandron’ny alatsinainy teo raha iny handeha hianatra hiditra amin’ny roa  iny ity tovovavikely tokony ho folo taona eo ho eo no norebireben’ity vehivavy iray. Tsy hay marina ny fomba nampiresahany an’ity tovovavy kely fa dia efa nisefosefo nitomany avy any vao nitantara ny zavamisy , lasa tamin’izany  ny kavina volamena teny an-tsofiny.

Be dia be tokoa mantsy ny ankizy no mamonjy ny ray aman-dreniny eny an-jaridaina amin’ny antoandro fa tsy mody. Ka eo matetika no hanararaotan’ireo olon-dratsy izay mihaodihaody eny amin’ny manodidina amin’ny fanendahana ireto ankizy madinika. Hentina hanentanana koa ireo ray aman-dreny izay maka zaza eny mba hitandrina amin’ny fiarovana ireo zaza, sy ny tsy tokony hanaovan’ireo ankizy kely kavina na firavaka sarobidy amin’ny andavan’andro hianarany.

Rehefa nanontaniana ilay zaza dia nilaza fa nahatadidy tsara ny endrik’ity ramatoa izay nanendaka azy ity raha sendra mifanena aminy.Toe-javatra efa mpiseho matetika ny tahaka izao ka mila ny fandraisana andraikitr’ireo ray sy reny mba tsy hampitondra  firavaka sarobidy an’ireo kilonga mandeha mianatra.Efa be dia be moa ny sekoly no mandrara izany eto andrenivohitra.

ALEM

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser