Nisehoan’ny haintrano teny Mahamasina omaly hariva tokony ho tamin’ny 4 ora teo. Araka ny vaovao teny an-toerana dia trano biriky io nirehitra io, ka ny tany ambony rihana no nisehoan’ny afo. Tao anatin’ny fotoana fohy no nijoajoala ny afobe teny an-toerana. Niantso ny mpamonjy voina ny mponina ka tsy ela dia tonga teny Mahamasina izy ireo. Na izany aza, nanao izay ho afany ny fokonolona namono ny afo mandra-pahatongan’ny mpamonjy voina. Naharitra ora iray teo ny famonoana ny afo. Somary teritery ny lalana nihazo ilay trano, ary teo ihany ny olan’ny rano, ka anisan’ny nampanano sarotra ny famonoana ny afo izany. Voafehy ny afo ary tsy nitatra tamin’ireo trano teo amin’ny manodidina. Tsy nisy ny aina nafoy fa ny entana kosa no maro may sy simba. Tonga teny an-toerana ny polisy nanao ny famotorana. Mbola tsy fantatra mazava ny niatombohan’ny afo, fa raha ny resaka mandeha eny Mahamasina dia noho ny fipoahan’ny herinaratra.
Yv Sam