- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversMahamasina : Tratra Remenabila

Mahamasina : Tratra Remenabila

Ela nitoratorahana Remenabila ka tratra ihany ! Nampikaikaika ny olona sendra azy ity lehilahy sahabo ho 40 taona mahery ity, indrindra fa ireo tompona trano fisakafoanana, teny amin’ny faritra Mahamasina sy ny manodidina iny. Nandefa fampitandremana ho an’ny hafa mihitsy aza moa ny sasany tamin’ireto farany, tao anaty facebook, ny amin’ity rangahy ity. Mihinana izay laniny mantsy ranamana ary rehefa laniny ny sakafo, mitetim-bidy aman’alina dia mody manao adala rangahy ity, ka lasa tsy mandoa vola. Ny alarobia teo izy no voasambotry ny pôlisy avy amin’ny boriborintany faha-4, raha niditra tao amina fiangonana iray teo amin’ny manodidina. Fantatra tamin’izany, fa saika hangalatra ny rakitra sy ny kalisy ary ny bokim-piangonana ity olona ity. Voalazan’ireo mpitandro filaminana ihany koa fanaon-dRemenabila, solon’anarana nahafantaran’ny maro azy, ny mangarona ny paosy sy ny paoketran’ireo mpiangona ary rehefa tratra amin’izany dia mody lasa adala. Natolotra ny fitsarana omaly “Remenabila”. Inoana fa hilamin-tsaina amin’izay ireo tompona hôtely sy ny mponina eny amin’iny faritra iny.

Mike L.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser