Lehilahy iray no fantatra fa voasambotry ny polisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriboritany fahadimy, niaraka tamin’ny vaomieran’ny fandriampahalemana eny an-toerana, omaly vao maraim-be . Voalaza tamin’izany fa nikasa ny hanendaka izany olona nifanena taminy ity farany. Mbola nahitàna antsy maranitra sy rongony tao anaty fonosana moa tany aminy. Araka ny famotorana dia tsy an’asa ingahirainy.
« Miara-miasa akaiky ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny Boriborintany fahadimy sy ny vaomieran’ny fandriam-pahalemana rehetra ao amin’ny fari-piandraiketany. Anisan’izany fiaraha-miasa izany ny fanaovana fisafoana miaraka amin’ireo fotoana izay tena fantatra fa maha betsaka ny trangana tsy fandriam-pahalemana ». Tamin’io alarobia maraina io araka izany, dia nisy ny fisafoana niaraka tamin’ireto tompon’andraikitra ireto, tokony ho tamin’ny telo ora maraina ka hatramin’ny dimy ora maraina tany ho any. Tonga teny amin’ny fokontany Ambohibarikely izy ireo no nahita lehilahy iray hafahafa fihetsika mitampify anaty elakelan-trano. Natonina avy hatrany moa ity farany ary nosamborina rehefa somary nanohitra. Nahitàna antsy lava iray sy fonosan-drongony rahateo tany aminy tamin’izay fotoana izay. Mazava ho azy, raha tsy ireo mpitandro filaminana sy ny vaomiera ireto no nahitàna azy voalohany dia mety ho maro no nitondra faisana. Tamin’ny famotorana natao moa, raha ny vaovao azo no nahalalàna fa mipetraka eny amin’io fokontany io ihany rahalehilahy ary tsy manan’asa…
m.L