Vehivavy tanora ary mpirahavavy no indray nentin’ity teratany vahiny izay miasa amin’ireny “projet » ireny ary mipetraka ao amin’ny hotely iray ao Mahamasina. Nifanarahana teo fa, samy omena 50.000 ariary ireo tanora iray izay mpirahavavy…mpiray tampo. Nivoaka tao ny iray ary nitomany nigogogo eran’ ny làlana. Rehefa nanontanian’ny olona sendra nandalo dia tsy ariny intsony ka notantarainy. Torak’izany ihany koa ilay rahavaviny izay nivoaka tamin’ny tanam-polo ary mbola noroahin’ilay vazaha aza tao amin’ny efitrano nisy azy. Nanapa-kevitra ireo ny naka lehilahy namana teny Antaninarenina, noho ny tsy rariny nianjady taminy. Dia tonga teo Mahamasina tokoa ary ny namana izay saika hanampy haka ny vola. Tsy norarahian’ilay vazaha hatrany izany, saingy ny namany, vazaha hafa koa, no nahatsapa tena ho menatra ka nandoa ny iray hetsy mba handaminana ny raharaha. Efa vonona ny hitondra ny raharaha eny anivon’ny mpitandro ny filaminana ireo mpirahavavy, saingy rehefa azo ny vola dia nilamina indray. Toe-javatra roa no indray hita taratra amin’ity tranga ity. Ny voalohany dia ny fanambanian’ny vazaha sasany ny tompon-tany. Raha ny feo mandeha eo amin’ny manodidina mantsy, dia tsy vao voalohany izy io no manao toa izany. Kanefa dia heverina fa manam-bola izy noho izy miasa amin’ireny programa an’ny vondrona vahiny ireny. Porofon’izany ny hanofany hotely efa ho mandavan-taona. Ny sary faharoa kosa dia ny fivarotantenan’ny tanora eto Antananarivo, saingy amin’ny endrika somary miafinafina. Efa mandeha amin’ny tambajotra ary antsoina an-telefaonina fotsiny dia tonga, toa ny nataon’izy roa vavy ireto. Farany dia efa tena voatery tanteraka ny tanora sasany ka tsy misy intsony ny fanajana izany atao hoe fady izany. Mbola ity tranga ity ihany no raisina : niara-nandry tamin’ilay vazaha izy mpirahavavy…mpiray tampo.
D.R