- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversMahamasina : Voaendaka sy voatsatoka antsy, olona telo naratra

Mahamasina : Voaendaka sy voatsatoka antsy, olona telo naratra

Mpivarotra antsisin-dàlana nandritra ny fifanandrinana tamin’ny taranja baolina lavalava nifanandrinan’ny Malagasy tamin’ny senegaly, no niharan’ny asan-jiolahy. Ny alahady teo, raha vita ny baolina ka mbola tao anatin’ny nandeha tsara ny varotr’ireo telo mianaka, no heverina fa efa nisy nanara-maso izy ireo. Rehefa nanidy ny tsena tamin’izay ka hizotra hody no nisy nanaraka. Tao anatin’ny haizina no niseho ny asaratsy. Nendahina ny vola izay maty teny amin’ireo mpivarotra sady mpihavana ihany. Raha saika hanohitra ireo olona dia tsindrona antsy avy hatrany ny valiny.  Telo no naratra ka voatery notsaboina teny amin’ny hopitaly. Mahatalanjona ihany ny fahasahian’ireo jiolahy. Marina fa efa hariva ny andro ary vetivety dia maizina amin’izao fotoana, saingy raha eo amin’ny firavan’ny vola izany dia heverina fa mbola maro ny olona mifamezivezy, ny sasany manenjika bus ary ny sasany kosa mizotra mody amin’ny dian-tongotra. Kanefa dia nisy ny voatsatoka antsy ary tao anatin’ny fotoana fohy. Raha ny fizotran’ny raharaha ihany koa dia efa mba nandray ny fepetra tokony noraisina ihany ireto telo mianaka izay tsy nisaraka mihitsy mba hiarovana ny ain’izy ireo, nefa dia mbola ny nifanohitra tamin’izany ihany no niseho. Mirongatra ny asan-jiolahy rehefa manakaiky ny andro fety. Ny hala-botry sy ny fanendahana no tena misesy raha ny tsikaritra. Ny fanafihana mitam-piadiana indray dia matetika efa vita lasibatra mialoha ny hotafihina. Vokatr’izany rehetra izany dia mbola ao anatin’ny tsy filaminan-tsaina hatrany no iainana eto an-drenivohitra. Na any anaty bus, na eny an-dalambe, na ao an-trano dia saika miady saina amin’ny tsy fandriam-pahalemana hatrany. Asa, aiza ho aiza izany ny fotoana sy ny toerana hieritreretana fandrosoana manoloana ny zavatra iainana ankehitriny…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici