- Publicité SW45 -
lundi, décembre 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahamasina : Voasoloky ny mpianatra 13 isa, lasa ny « bourse » Ar....

Mahamasina : Voasoloky ny mpianatra 13 isa, lasa ny « bourse » Ar. 80 tapitrisa

Mpianatra ho mpitsabo mpanampy ireo niharan’ny fisolokiana ary ny ankabeazany dia avy any amin’ny faritra. Niakatra teto an-drenivohitra mba handrato fianarana. Teo amin’ny fotoana nivoahan’ny vatsim-pianarana tamin’ny aprily no tafiditra tamin’ny kizo ireo mpianatra. Toa efa nokajian’ny voarohirohy ho mpisoloky mihitsy angamba ilay vanim-potoana satria « bourse » fito volana no indray nivoaka tamin’io. Mpianatra ihany ilay notoriana ho mpisoloky ary ny fomba nanatontosany izany dia ny fampanantenana fa mahay mampitombo vola izy. Mitovitovy amin’ireny « vente paramydale » ireny ihany ny fomba fandreseny lahatra. Betsaka ny roboka ary nandrotsaka ny vatsim-pianarana rehetra tao. Nandeha ny fotoana ary tsy nisy fiverenany vola niaraka amin’ny tombony. Tany amin’ny volana mey tany no nanomboka nitory ireo mpianatra voasoloky ary niakatra fampanoavana ny raharaha ary nidoboka am-ponja ilay voarohirohy ho mpisoloky. Raha efa nanantena ny olona fa miandry fotoam-pitsarana any am-ponja izany, akory ny hagagana fa mbola nisy nahita taty ivelany indray ilay voarohirohy ho mpisoloky. Tsy vitan’izany fa niseho olona satria nanaraka fianaran’asa (stage) tamin’ny orinasa iray. Taorian’izay indray dia mbola afaka nanao fanohanana ny fikarohana (soutenance de mémoire), toa ny mpianatra rehetra tsy nisy olana. Omaly no nandeha ny fitsaràna ity raharaha ity ary amin’ny 27 jiona no hivoaka ny didy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici