- Publicité -
mercredi, juillet 30, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahamasina : Voay nampihorohoro

Mahamasina : Voay nampihorohoro

Voatery nidina an-tsehatra ny polisy miandraikitra ny boriborin-tany. Nisy zana-boay latsaky ny iray metatra izay hitan’ny olona teo amin’ny zaridainan’Anosy ny alatsinainy maraina teo. Nisy mihitsy ny nahazo horonan-tsary izany. Nampandrenesina ny polisy ary nanao ny fisamborana ilay biby. Nantsoina ny talen’ny valan-javaboahary ao Tsimbazaza ary izy no nandefa olona haka izany teo an-toerana. Avy aiza ilay voay ary ahoana no fomba nahatafidirany tao anatin’ny toerana voaaro? Mihodidina amin’izany ny fanontaniana izay mipetraka ankehitriny. Nisy fotoana dia nisy voay ary nasiana izany mihitsy tao amin’ny farihin’Anosy. Izany dia fepetra izay noraisina mba tsy hisian’ny mpangalatra trondro maloto ao amin’io farihy io intsony. Efa nesorina tao ireo biby raha araka ny fantatra. Ny fahitàna ilay voay tamin’ny alatsinainy teo kosa dia toa mampanontany tena hoe sao mbola misy mirenireny ao Anosy?

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici