Nirefodrefotra ny basy teny Mahamasina ny zoma alina lasa teo. Samy nihoron-koditra avokoa ireo mpirevy rehetra teny amin’iny faritra iny, raha ny fantatra hatrany. Voalazan’ny avy ao amin’ny pôlisy fa nisy hetsika nataon’ny avy amin’ny pôlisy misahana ny heloka bevava teny amin’io toerana io, hisambotra jiolahy mahery vaika, voalaza fa nitondra basy. Tonga teny avokoa ireo sampana rehetra miady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika avy ao amin’ny polisim-pirenena raha ny loharanom-baovao hatrany. Avy hatrany izy ireo dia nanapoaka basy sy nampanasa ireo olona rehetra nanao zoma mahafinaritra teny an-toerana, hihohoka amin’ny tany. Tovolahy maromaro, niisa teo amin’ny 20 teo no niantefan’ity fisamborana mahery vaika teny an-toerana ity. Nisy tamin’izy ireo no voadaka sy niharan’ny herisetra, raha ny vaovao voaray hatrany. Ankevitry ny diso loharanom-baovao angamba ireto mpitandro filaminana tonga masiaka ireto. Raha ny fantatra mantsy dia ekipana zandary, mpanao volley, avy nanao fanazaran-tena tao Betongolo ireto olona nosamborina. Tsy nanao fanamiana izy ireo. Nisy ihany koa ny olona sivily niaraka taminy saingy niaraka voasambotra tany ihany koa. Fantatra fa efa nanazava sy niezaka nampiseho karatra maha-zandary azy ireo ihany izy ireo saingy tsy norarahian’ireto mpisambotra jiolahy, raha ny loharanom-baovao hatrany. Ary dia nentina natao fanadihadiana teny Anosy. Araka ny fantatra dia efa nandefa iraka nijery ny zava-misy teny an-toerana ny lehiben’ireto mpitandro filaminana « voasambotra » ireto saingy mbola nentina ihany izy ireo. Tsy vita mihitsy anefa ny raharaha ary tsy navotsotra ireto zandary ireto raha tsy tonga tany amin’ny toerana nitondrana azy ireo ilay lehibeny nifanazava tamin’ireo mpisambotra. Hita ihany koa fa tsy nitombina velively ny vesatra nisamborana ireto ekipana volley-n’ny zandary ireto, raha ny fanazavana azo hatrany.
m.L