Tsy nisalasala ny mpitsara mpanao famotorana nampiditra am-ponja ny “surveillant général” tao amin’ny CEG ao Mahambo. Omaly no niakatra tao amin’ny fampanoavana izy noho ny fanolanana, sady amin’izay zaza tsy ampy taona no mbola isan’ireo zaza noahian’ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana misahana ny ankizy (Unicef). Ny tena nampalahelo dia namono tena ilay zazavavy taorian’ny nanjo azy. Soa ihany fa mba tsy maty. Teo vao nivoaka tamin’izay ny rehetra. Nandeha ny fanadihadiana ary nazava ho azy fa nitontona tany amin’ilay tompon’andraikitry ny sekoly ny raharaha. Nosamborina avy hatrany izy nanomboka teo ka notazomina tany amin’ny mpitandro ny filaminana. Raha ny fanazavana azo avy any an-toerana dia niaiky ny heloka vitany ity tompon’andraikitra ity. Tsy vao io zaza io rahateo no nanaovany ny filan-dratsiny fa efa fanintelony, raha araka ny loharanom-baovao hatrany. Tereny ireo zaza mba hanaiky azy ary rahonany avy eo mba tsy hiteniteny amin’olona, indrindra amin’ny ray aman-dreny. Tamin’ity indray mitoraka dia nirohotra tamin’izay ireo zaza nanapoaka ny sarim-bilany. Nisy ny filaharana mba ho fanoherana ny tsy mety nataon’Ingahy “surveillant général”. Tsy nisy azo nafenina intsony nanomboka teo satria ny zaza tsy mba mandainga. Sady nigadra izany no mety ho very asa ity tompon’andraikitry ny fampianarana ity.
D.R