Sambo mpitatitra olona sy entana iray no niharan-doza tao amin’ny fari-dranomasin’i Mahambo, ao amin’ny distrikan’i Fenerivo Est. Dobo rano noho ny andro ratsy tampoka ity sambo ity, raha araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana. Tsy nisy ny naratra na ny namoy ny ainy, tamin’ireo mpandeha sy mpanamory ity fitaterana an-dranomasina ity, saingy ireo entana rehetra tao anatiny fotsiny no dobo avokoa. Raha ny fantatra dia teo amin’ny sisin-dranomasin’i Mahambo izy no tra-doza. Nisy tampoka ny fiforonana andro ratsy teny ambony ranomasimbe teny, ka niteraka onja nanimba ireo fitaovana teknika teny ambony sambo, araka ny fanazavàna nomen’ny teo anivon’ny faritra Analanjirofo. Teo amin’ny resaka GPS sy ny fanondroavaratra aloha no niandohan’ny olana, avy eo nitarika tamin’ireo fitaovana hafa. Hany ka tsy nahita ny lalan-kombany intsony ny mpanamory, ny fotoana tamin’io ihany koa efa alina rahateo. Na izany aza anefa dia niezaka nitady toerana hitodiana ihany ity farany. Teo am-panaovana izany izy no nidona tamin’ny vato ilay sambo, ary potika tanteraka. Latsaka an-drano avokoa ireo entana rehetra, izay manodidina ny 170 taonina any ho any. Entana saika hilain’ny olona tamin’ny fiainana andavanandro avokoa izy ireo, toy ny vary, simenitra, zava-pisotro sy ny maro hafa. Tonga teny an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy avokoa moa ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tany an-toerana.
m.L