- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMahambo : Tovovavy naolana mpanabe, namono tena

Mahambo : Tovovavy naolana mpanabe, namono tena

Nidina an-dalambe ny mpianatra teo anivon’ny sekoly ambaratonga faharoa tany Mahambo, omaly antoandro. Ny antony, araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana, dia noho ny toetra tsy mendrika nasehoana mpanabe iray tao amin’ity sekoly ity. Raha ny filazan’izy ireo mantsy dia voalaza fa tratra nanolana tovovavy iray, izay mpianatra tao amin’io sekoly io, ity mpanabe ity. Tranga izay nohamarin’ny Lehiben’ny fari-piadidian’ny zandarimariam-pirenena ao Toamasina, izay nidina mihitsy tany an-toerana, niaraka tamin’ny lehiben’ny fari-piadidim-pampianarana tany an-toerana ihany koa.  Raha ny nambaran’izy ireo hatrany, araka ny fampitam-baovao tonga taty aminay, dia toa hoe tsy vao izao io lehilahy io no manampatra ny filàny tamin’ireo tovovavy mpianatra fa toa hoe efa imbetsaka ihany. Nisy tamin’ireo efa tratrany no mbola mibaby kitra sy mitondra vohoka, raha ny voalaza hatrany. Noho izay antony izay indrindra, ary ny fitarain’ireo mpianatra, no antony nidinan’izy ireo an-dalambe, nilanja sora-baventy. Ny talata teo no niseho ity zava-doza farany nataon’ity mpanabe ity. Taorinan’ilay fihetsika mamoafady natao an’ilay tovovavy mpianatra, araka ny fanazavana azo hatrany, dia niezaka namarana ny androm-piainany ilay tovovavy, saingy avotra soa aman-tsara ihany. Tsy izy irery anefa, fa nisy tovolahy iray ihany koa, izay voalaza fa olon-tiany. “Mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny toeram-pitsaboana izy ireo. Ary mbola tsy dia afaka mamaly tsara ny fanontanianay mpitandro filaminana. Na izany na tsy izany anefa dia efa am-pelan-tananay ny raharaha”, hoy ny tompon’andraikitra ambony iray ao amin’ny zandary. Efa milamina ny raharaha taorian’ny nahatongavan’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ireo tany an-toerana, raha ny vaovao farany azonay. Nisy kosa anefa ny fepetra tsy maintsy noraisin’ireo zandary teo anatrehan’izany, hisorohana ny mety ho fitaran’ny raharaha. Anisan’izany ny fanesorana tsy misy hataka andro ilay mpanabe tao amin’ilay sekoly ary ny mbola nametrahana zandary maromaro tao an-toerana, hitandroana ny filaminana. Miandry ny tohin’ny fanadihadiana araka izany ny rehetra.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser