samedi, avril 19, 2025
AccueilFaits-DiversMahanjanga : Vehivavy maty hita tao anaty gony

Mahanjanga : Vehivavy maty hita tao anaty gony

Hatairana no nahazo ireto olona mpitsipona fako tao an-tanan’Andorva, Mahajanga omaly maraina raha nahita ity zavé-doza ity omaly tokony ho tamin’ny 9 ora maraina. Teo am-pisavana ny lava-pako iray teo anelakelatrano somary lavitry ny arabe ireto olana sahirana mpitsindroka fako ireo no nahita gony mifatotra tao anaty lavaka. Tsy naharitra izy ireo rehefa nahita fa hafahafa ilay fonosana ka namoha izany. Teo vao  gaga ny rehetra fa fatim-behivavy no tao anatiny ka niantso avy hatrany ny tompon’andraikiry ny fokontany. Vao nahazo ny antso ny polisim-pirenena dia nidina teny an-toerana niaraka tamin’ny tompon’andraikitry ny fahasalamana eo anivon’ny kaominina (BMH) hizaha akaiky ny raharaha. Nandritra ny fizahana ny razana no nahitana fa tany amin’ny 3 ora maraina tany ho any no nahafaty ity olona ity. Tsy nahitana ratra ny vatany saingy hita fa mangana ny ilan-tavany havia ary tsikaritra fa toa voadaroka ny vatany. Ankoatra izay, tsy nahitana taratra resaka fanolanana ihany koa ny tenany. Tao aorian‘ny fitsihana nataon’ny manam-pahefana mahefa moa dia nentina teny amin’ny tranom-paty eny amin’ny hôpitaliben’Androva ny zarana mba hiandrasana izay mety ho fianakaviany na ny olona mahafantatra azy. Indrisy anefa fa hantramin’ny omaly hariva dia mbola tsy nisy olona tonga niseho mahalala ty olona maty ity na teo aza ny filazana momba izao voina izao sy ny antso momba ny fisian’ity voina  ity. Araka ny vaovao hatrany, tsy nahitana antontaratasy mety hahalalana azy ity vehivavy ity izay tombanana ho manodidina  ny taona eo ho eo raha araka ny filazan’ny mpitsabo.

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici