- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversMahanoro : Fihinanana antsantsa, olona 22 nampidirina hopitaly

Mahanoro : Fihinanana antsantsa, olona 22 nampidirina hopitaly

Vokatry ny fihinana antsantsa, olona hatrany amin’ny 22 no tsy maintsy nampidirina hopitaly tany amin’ny faritry Mahanoro, tamin’ny alatsinainy teo. Ny vaovao no nahafantarana fa novidina teny an-tsena ity hazandrano ity. Ankizy ny enina tamin’ireo narary ary 16 ny olon-dehibe. Soa aloha fa nalaky fantatra ny zavatra niseho ka afaka nanaraka fitsaboana avokoa ireo olona ireo. Nisy ireo afaka nalefa nody avy hatrany rehefa nahazo fanafody. Ao koa anefa ireo mbola tazonina eny amin’ny hopitaly. Voalaza fa ireo tena voa mafy ireto farany ireto. Tsy vao izao no nahafantarana fanapoizinana ara-tsakafo, indrindra amin’ny fihinanana itony karazana trondro itony, fa efa saika miverina isaky ny vanim-potoana sahala amin’izao. Tokony hisy ny fitandremana sy ny fandraisana andraikitra, eo anivon’ny tsirairay avy hisorohana ny loza.

Nangonin’i r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici