Nisehoana fitsaram-bahoka mivaivay indray tany Mahanoro ny alahady lasa teo. Lehilahy roa voalaza fa avy nangalatra taolam-paty no matin’ireo fokonolona tany an-toerana, ary ny iray hafa nosamborin’ny zandary. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana dia ny alin’ny sabotsy teo no nahatratra olona nihaodihaody tao anaty lakana ny mpanjono teny Androhomanasa, distrikan’i Mahanoro. Raha vao nahatazana ireo mpanjono ireo olona dia vaky nandositra, ka ny iray izay natahotra rano no noraisim-potsiny teo. Nahitana taolam-paty telo gony niaraka tamin’ity lehilahy ity, ary noho ny tahotra ireo fokonolona dia nanondro ny olona roa voalaza fa mpiray tendro aminy amin’ity resaka halatra taolam-paty ity izy. Fasana tao Andranolava no novakian’izy ireo, raha ny fanazavana azo hatrany. Velona ny fisamborana, nitsoaka ny roa tamin’ireo voalaza ho namany, tratran’ny fokonolona kosa ny roa hafa. Raha ny fanampim-baovao azo hatrany dia nirotsaka an-tsehatra avy hatrany ny mpitandro filaminana tao an-tanàna raha vao nahare ny fisavoritahana, mba hiarovana ny ain’ireo olona voasambotra. Tsy tana intsony anefa ny hatezeran’ny fokonolona fa niantefa tamin’ireo olona voatondro ho mpangalatra taom-paty ireto. Maty noho vono nahazo azy ny roa tamin’ireo voasambotry ny fokonolona. Rehefa naparitaka kosa ireo mponina dia nentin’ny mpitandro filaminana avy hatrany ny iraika lahy tratra voalohany, ka avotra teo ambany rangotry ny hatezeran’ireo mponina. Efa milamina ny any raha ny fampitam-baovao hatrany. Efa mandeha kosa ny fanadihadiana isan-karazany manoloana izao toe-javatra izao.
m.L