- Publicité -
mercredi, décembre 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahanoro : Sinoa mpibizina taolam-paty naiditra am-ponja.

Mahanoro : Sinoa mpibizina taolam-paty naiditra am-ponja.

Tao anatin’ny roa taona, araka ny vaovao marim-pototra voaray, dia nirongatra ny trafikana taolam-paty any amin’ny distrikan’i Mahanoro. Taorian’ny trangana halatra taolam-paty tao amin’ny Kaominina Ambodibonara, herinandro vitsivitsy lasa izay, dia nihetsika ny mpitandro filaminana ka nahitam-bokany izany. Lehilahy roa mpangalatra taolam-paty no voasambotra, ary ireto farany avy eo nanondro ny olona mpividy taolam-paty, izay teratany sinoa iray mpanefoefo ao Mahanoro. Nosamborina ity kelimaso voatondro ho mpibizina “saphir blanc” ity ary natolotra ny fitsarana ao Vatomandry ny talata teo, ka notazonina am-ponja vonjimaika. Raha tsiahivana ny tantara dia momba ny raharaha halatra taolam-paty toy izao ihany ny taona 2014 no nampisy ny fitsaram-bahoaka tao Mahanoro.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici