- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMahanoro : Taolam-paty 1,5 taonina tratran’ny zandary

Mahanoro : Taolam-paty 1,5 taonina tratran’ny zandary

Hafa kely ity tranga na halatra taolam-paty sy vaky fasana tao amin’ny kaominina Tsaravinany distrikan’i Mahanoro ity, hatramin’izay nisian’ity tranga ity teto amintsika. Nahatratra taolam-paty milanja iray taonina sy sasany mantsy ny zandary tao Vatomandry, raha naheno vaovao ka nanao ny fikarohana sy ny fisamborana. Araka ny fanazavan’ny zandarimariam-pirenena tao Vatomandry sy ny vondrom-paritry ny zandary Toamasina izay tonga tany an-toerana mihitsy nijery ifotony ny raharaha; dia niatomboka tao Ambalamangahazo kaominina Niarovana Caroline Vatomandry, ny fisamborana voalohany iray volana lasa izany izay nahatrarana taolam-paty 60kg. Nitohy hatrany anefa ny fikarohana natao ka ny talata 17 oktobra teo ny fahatrarana ny ekipa mpangalatra taolam-paty manaraka ; izay nahatrarana olona  10 ka nilanja 1.500kg ny sarona tamin’izany. Voalazan’ny komandan’ny zandary ao Vatomandry fa misy andian’olona mitady mpividy taolam-paty sy manana tahirin- taolam-paty maro no niatombohan’ny raharaha; raha niezaka naka vaovao sy nanao ho mahita mpividy izany ny zandary, dia izao sarona izao ny nafenina rehetra. Tao amin’ny fokontany Antandroho ny hetsika voalohany izay nahatrarana lasaka 8 feno taolan-dava; nitohy tao amin’ny fokontany Ampitakosy ny raharaha ka nahatrarana lasaka  10 kosa feno taolam-paty .Raha atambatra izany dia olona  10 no tompon’ireto taolam-paty ireto, ka raha nilanjaina dia io nanome taolam-paty  iray taona sy sasany io. Nihevitra ny hahazo vola be anefa ireto mpivarotra taolam-paty , nefa izao nivoaka izao ny tsiambaratelo nafenina ho azy 10 mirahalahy tratra ambodiomby ireto. Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny lehiben’ny vondrom-paritry ny zandary Atsinanana, ny Kly Ralaikoa Tianarivo Gabriel Armandin, dia baiko hentitra no nomeny ireto zandary eo ambany fahefany ireto, fa tsy maintsy fongorina hatramin’ny farany ny endriky ny tsy filaminana sy mahatonga izany tsy fandriampahaleman’ny vahoaka izany. Nomarihany hatrany anefa, fa miainga ao anatin’ny zandary eo ambany fitantanana izany famongorana ny olon-dratsy izany, fa lasa manome endrika ratsy ny zandary sy mahatonga ny tsy fahatokian’ny vahoaka ny zandary ihany koa. Efa misokatra ny fanadihadiana rehetra mikasika ity taolam-paty an-taoniny tratra tao Mahanoro ity, ka tsy hanaiky izay mety ho fanelanelanana hisy ny zandary. Manao antso avo amin’ireo nanana fasana vaky koa ny zandary, mba hiara-kiasa amin’izy ireo mikasika ireto taolam-paty an-taoniny tratra ireto…

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici