- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversMahanoro : Zazavavikely 8 taona voaolana

Mahanoro : Zazavavikely 8 taona voaolana

Ny 4 jiona teo no nitrangan’ity fanolanana ity, tany Mahanoro. Olona mpiray tanàna sendra ny tsy salama tao an-trano no mba nindrana ity tovolahy 25 taona mba hiandry sy hijery ny trano ary hiambina ity zazavavikely. Teo no nandeha ny saindratsin’ity tovolahy ka nitondra ity zaza teny amoron-dranomasina hanaovana ny filan-dratsiny.

Vao vita moa ny nataony dia lasa nitsoaka sy niafina izy, ka tsy hita tao an-tanàna intsony. Nahoraka tao an-tanàna ny resaka ary samy tezitra daholo izay naheno izany. Natao ary ny fikarohana ity tovolahy, izay niarahan’ny fokonolona tao an-tanàna sy ny zandary tany an-toerana. Nandeha ny andro maromaro ka hita ihany ny toerana nieren’ity tovolahy ary tonga dia nosamborina avy hatrany. Niaiky ny helony moa ity tovolahy ity ka avy hatrany dia natolotra ny fitsarana. Sazy mihantona avy hatrany ny didy nivoaka, ary efa voatana ilay nahavita ny heloka amin’izao.

Hanentanana ireo manan-janaka vavikely mba ho mailo hatrany eo anoloan’ny toe-javatra tahaka izao. Na dia eo aza ny fahamaizana amin’izay mety ho fahasahiranana dia tsy tokony hapetraka amin’ny olona toy izao ny fahatokisana fa mitera-doza ka manimba tanteraka ny fiainan’ny zaza, ka ho zary lasa aretin-tsaina ho azy mandrakizay.

ALEM

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser