- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversMaharidaza : Nisy saika hanapoaka ny pylone lehibe, mpitondra herinaratra ho an’Antananarivo

Maharidaza : Nisy saika hanapoaka ny pylone lehibe, mpitondra herinaratra ho an’Antananarivo

Efa mitady hahazo ny renivohitra ny fanakorontanana kasain’ireo olon-tsy fantatra amin’ity resaka delestazy sy Jirama ity. Saika nisy olon-dratsy nanapoaka mantsy ny andrin-jiro lehibe mpitondra herinaratra « haute tension » avy amin’ny tohodrano lehibe Andekaleka, mpamatsy an’Antananarivo renivohitra, ny alahady alina lasa teo. Nifatotra teo am-pototr’ity andrin-jiro ity ny fitoerana « gaz », nisy lamba saika hampirehetana azy, araka ny fanazavana voaray avy amin’ny mpitandro filaminana. Samy gaga avokoa ny olona teny amin’iny lalam-pirenenana faharoa iny omaly vao maraim-be raha nahita mpitandro filaminana marobe, nirohotra niatsinanana any. « Fa nisy inona ? ». Niely vetivety ihany koa ny feo fa toa hoe saika hisy hanapoaka sy hamotika ny tohodrano sy ny milin’ny Jirama tao Mandraka. Rehefa tena nozohina anefa ny tena fototr’ireo fihetsiketsehana goavana nataon’ny mpitandro filaminana ireo ary nitondra fanazavana ireto farany dia fantatra fa nisy nametraka baomba natao tanana, teny Maharidaza, lalam-pirenena faharoa, ny alin’ny alahady. Asa raha saika hapoaka ny alin’io ihany ity baomba ity na ahoana ? Soa ihany anefa fa tonga izy ireo ka tsy tanteraka ny fikasan-dratsin’ireo olona saika hanao ity fanakorontanana ity. « Olona sendra nahita ilay zavatra nifatotra teo amin’io « pylone » io no niantso avy hatrany tompon’andraikitra, nahafahana nisoroka mialoha ny mety ho fahavoazana taty aoriana » araka ny fanazavana azo avy amin’ny zandary. Hatreto aloha dia mbola tsy fantatra izay tena atidoha nikotrika ity fikasan-dratsy ity, ary tsy mbola misy olona mety ahiahiana. Na izany aza anefa, araka ny vaovao azo hatrany dia efa mandeha ny fanadihadiana. Manentana ny rehetra ihany koa ny mpitandro filaminana, hampilaza avy hatrany ireo tompon’andraikitry ny filaminana any amin’ny toerana misy azy tsirairay avy any, na hiantso mivantana ny laharana 119, raha misy fihetsik’olona mampiahiahy, indrindra fa ireo toerana manakaiky ireny andrin-jiro lehibe, mpitondra herinaratra mahery vaika irony. Eo anatrehan’izay trangana fampihorohoroana izay dia fantatra fa misy ny fepetra henjana noraisin’ireo mpitandro filaminana, hanamafisana ny fiarovana ireo toerana stratejika isan-karazany manodidina ny renivohitra, toy ny eny Mandraka, Antelomita, Tsiazompaniry, Ambohimanambola, sns.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser