Tranga hafakely tokoa no niseho teny amin’iny lalam-pirenena faharoa iny, teny Maharidaza, ny alakamisy alina teo. Rangahy iray no nihetsika hadalana tao anaty fiara avy amin’iny faritra Atsinanana iny, handeha hiakatra aty an-drenivohitra. Noho ny tahotra ny amin’ny ain’ireo mpandeha rehetra tao anaty fiara dia tsy maintsy nampidinina ranamana, ary navela irery teo an-tampon’i Maharidaza. Tezitra noho izay fihetsika natao azy izay angamba ity lehilahy ity, fa taorian’izay dia notorahany tamin’ny vato avokoa ireo fiara rehetra nindrana iny lalam-pirenena faharoa iny io alina io. Vokany, fiara efatra no voatery tsy maintsy nanapaka ny diany noho ny fahavakisan’ny fitaratra. Nantsoina avy hatrany ny zandary teny an-toerana ka tonga haingana teo amin’ilay toerana. Mbola tratra teo ihany koa ilay rangahy tamin’io fotoana io ary dia noraisim-potsiny. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny zandary. Tamin’ny fanadihadiana nataon’izy ireo no nahalalana fa tsy mponina eny an-toerana ity lehilahy ity ary fantatra fa tena marary saina marina. Araka ny fanazavana azo avy amin’ireo mpitandro filaminana hatrany dia narian’ny fiara nitondra azy hiakatra ity lehilahy ity, ka izay no nahatonga azy irery ho eo amin’io toerana, izay tsy misy tanàna akory, amin’ny andro alina. Noraisina avy hatrany ny fepetra, hoy ireo zandary, ny hitondra azy teny amin’ny hôpitaly fitsaboana ireo marary saina, eny Anjanamasina. Nizotra nilamina ihany ny fifamoivoizana tamin’iny lalam-pirenena faharoa io, taorian’izay fotoana izay.
m.L