- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversMahatsinjo-Antsirabe : Raikitra ny halatr’omby

Mahatsinjo-Antsirabe : Raikitra ny halatr’omby

Mirongatra ny halatr’omby eto Antsirabe, lasibatry ny asan-jiolahy ireo fokontany amin’ny ilany antsinanana iny. Omby vavy be ronona iray no lasan’ny dahalo tamin’ny herinandro lasa teo, tao amin’ny fontany Mahatsinjo Antsirabe I.Tsy  nisy nahare ny nangalan’ireo olon-dratsy ny omby tao am-bala ny tompon-trano fa ny maraina andeha hitery ronono vao nahatsikaritra fa tsy tao intsony ilay omby vavy be. Ny  tena nahavarina ny tompon’omby raha ny fitantarany dia nokapain’ireo jiolahy tsara avokoa sady milamina ny katsaka sy taretra nanamorona ny lalana ivoahan’ilay omby teo an-tanana nefa tsy nisy nahare mihitsy. Mifefy no sady mafy tsara ihany koa ny vala misy ilay omby nefa dia tafavokan’iireo olon-dratsy, midika izany hoy ity tantsaha iray fa nampiasa fonoka mahery vaika ny jiolahy. Nanao ny fanarahan-dia ny tompon’omby niaraka tamin’ny fokolona, tsy lasa alavitra fa hita tao antampon’i Mandray ny omby saingy ny lohany sy tongony ary ny tsinainy sisa no tao. Nahitana tonon-kena ihany koa teo amin’ny manodidina ilay toerana namonoan’ireo jiolahy azy. Marihina fa omby vao teraka ity novonin’ny jiolahy ity. Velon-taraina ireo fokonolona noho  afitsoky ny asan-jiolahy, halabotry sy rainizavona ka manao antso amin’ny fitondram-panjakana. Ankoatra ireo  halabotry mantsy dia ajifan’ireo olon-dratsy koa ny vary eny an-tsaha.

Andry N.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser