- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversMahatsinjo : Dahalo iray lavon’ny zandary

Mahatsinjo : Dahalo iray lavon’ny zandary

Dahalo iray indray no lavon’ny balan’ny zandary ary basy poleta  vita gasy iray miampy ireo fitaovam-piadiana maro azo. Tao amin’ny toerana antsoina hoe Andranomiantra, fokontany Manjakavaradrano, Kaominina Mahatsinjo Ambony, disitrikan’i Maevatanàna, no nisehoan’izany ny  alatsinainy 04 desambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 05 ora hariva. Araka ny fanazavana avy amin’ny Lietinà Njaka, naharay vaovao ny teo anivon’ny mpitandro ny filaminana, fa misy olona iray nitondra omby halatra iray sy fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana. Nidina tany an-toerana avy hatrany izy,niaraka tamin’ireo Zandary telolahy, ka vatany vao nahatazana ireto farany ilay dahalo, dia nitifitra. Raikitra ny fifandonana, ka lavon’ny balan’ny Zandary teo izy. Rehefa natao ny fijerena an’ilay malaso lavo, dia nahitana basy poleta  vita gasy iray sy ny bala tratra teny aminy, niaraka tamin’ireo antsy kely, kitoza folo kilao, lamba mena mifatotra amin’ny loha, ireo no hita tao anatin’ny sakaosiny miloka mainty. Nogiazina ihany koa ireo fitaovana tratra ireo, ary efa natolotra an’ny tompony kosa ilay omby. Nambaran’ity lietinà ity ihany, fa mahatonga ny tsy fandriam-pahalemana ny fiparitahin’ny fitaovam-piadiana toy izao. Misy hatrany ny hetsika ataon’ny mpitandro ny filaminana, fa tsy hijanona hatreo, fa hamongatra hatramin’ny farany ny asan-jiolahy izay mitady hanjaka ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici