- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversMahatsinjo : Fiara lehibe roa nifandona teo ambony tetezana

Mahatsinjo : Fiara lehibe roa nifandona teo ambony tetezana

Ny alin’ny zoma maraina be tokony ho tany amin’ny 2 ora tany ho any, nifandona teo ambony tetezana tamin’ny RN 4 teny Mahatsinjo ny fiara roa samy lehibe, ny iray nitondra mpandeha ary ny faharoa nitondra entana. Mpandeha am-polony maro no niheren-doza. Nisy kosa anefa ny fahasimbana. Ny vaovao no nahalalana fa samy nilaozan’ny frein ireto fiara ireto ary tsy tafajanona raha tsy teo ambony tetezana. Ny iray nidina fidinana ary ny faharoa niakatra. Ilay nidina, tamin’ny fotoana farany, afaka nijanona ihany.  Nikoropaka ny olona teo anatrehan’izany zavatra izany. Nitohana nandritra ny ora maro ny fifamoivoizana.

Kelly

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser