Manao izay danin’ny kibony mihitsy ankehitriny ireo jiolahy mitam-basy ato amin’ny disitrkan’i Maevatanàna. Trano lehibe iray any amin’ny fokontany sy kaominina Mahatsinjo ambony no lasibatra. Tamin’ny asabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora alina no nisehaon’izany. Vola mitentina dimy hetsy ariary no very tamin’izany, niaraka amin’ireo omby maromaro tao anaty valan’ilay tompon-trano. Nisy dimy ireo malaso ary nirongo basy. Narefodrefotr’izy ireo ny basy nentina nandrahonana ireo olona nanatri-maso sy zava-niseho, ka tamin’izany no nahavoatifitra an’ilay rangahy teny ambony rihana, voatifitr’ireo dahalo teo amin’ny tratrany izy. Nivoaka tsimoramora ny toerana ireo mpanafika avy teo, niparitaka, ary nanjavona teny anaty elakelan-trano. Lasan’izy ireo nandritra izany ny omby sy ny vola. Nampandre ny mpitandro ny filaminana ny vadin’ny maty, saingy efa dila lavitra ireo olon-dratsy vao tonga izy ireo. Nezahan’ny fokonolona nentina teny amin’ny hopitaly ilay rangahy voatiftra, saingy efa tsy tana intsony kosa ny ainy. « Tsy nisy azo natao, fa niaritra fampihorohoroana fotsiny izahay, » hoy ny fijorona vavolombelon’ny ben’ny tanàna iray any an-toerana nahita ny tranga rehetra tamin’ny fanafihana. « Tsy nanam-po na inona na inona rahateo izahay fa noheverina ho toy ny olona rehetra hiditra ao an-trano ireo mpanafka», hoy kosa ireo olona mpifanila vodirindrina. Misokatra ny fanadihadiana.
Ratantely