- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMahavoky Besarety : Vehivavy nanary ny zanany vao teraka, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Mahavoky Besarety : Vehivavy nanary ny zanany vao teraka, saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Vehivavy iray, nanary ny zanany vao teraka tany an-dava-pako, omaly no saika niharan’ny fitsaram-bahoaka teny amin’iny faritra Mahavoky Besarety iny. Soa fa tonga haingana ireo pôlisin’ny boriborintany fahatelo, naka ity ramatoa nanala azy teo ambany hatezeran’ireo mponina teny an-toerana. Raha ny zava-nitranga, omaly tolakandro rehefa nanangona ireo fako isan-tokantrano ireto olona mpiandraikitra izany eny amin’ny fokontany no nahita izay zavatra hafahafa nifono harona plastika. Noheverina fa fako ihany izy ity,saingy nony tonga teny amin’ny daba fanariana fako amin’izay vao ity, fa nihoson-drà tanteraka. Niely vetivety foana koa ny resaka ka fotoana fohy monja dia rakotra olona teo amin’ilay daba fanariana fako. Rehefa nosokafana ity “sachet” dia hita fa zazamenavava no tao anatiny, ary vao teraka ora vitsy monja angamba. Mbola niaina rahateo ity tsy manan-tsiny. Ontsa ireo nahita. Nisy olona nitondra azy haingan tany amin’ny hôpitaly tsy lavitra teo ity zaza ity, saingy indrisy fa tsy avotra intsony nony tonga tany. Taitra no sady tezitra tamin’ity ramatoa nitondra ilay harona avokoa ny olona teo ka saika nanjera ny hatezerany tamin’ilay ramatoa mpanangona fako. Nilaza mazava ity olona ity fa tsy azy velively ilay zazakely fa tao amina tokantrano iray tsy lavitra teo. Nirohotra nankany amin’io tokantrana io ny fokonolona niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra tao amin’ny fokontany. Nosamborin’ny fokonolona avy hatrany ilay “reny adala”, izay vehivavy tokony ho 20 taona any ho any, ary nentina tany amin’ny biraon’ny fokontany. Tezitra avokoa tamin’ity vehivavy ity olona ary saika velona teo ny fitsaram-bahoaka raha tsy tonga haingana ireo pôlisy naka izany vehivavy izany. Raha ny fantatra dia tamin’ny efatra ora maraina no teraka izy. Tsy fantatra anefa izay zava-nitranga ka nahatonga azy, nahavita nanary sy namono ity menaky ny ainy ity. Fantatra moa fa ry zareo ao amin’ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona ao Tsaralalàna no mandray ny raharaha, ary efa nentina natao fanadihadiana teny ihany koa ity vehivavy ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici