- Publicité -
mercredi, juin 25, 2025
AccueilFaits-DiversMahavoky : Mpamilina taxi voaendaka, lasa ny « papier » sy ny...

Mahavoky : Mpamilina taxi voaendaka, lasa ny « papier » sy ny vola

Araka ny fantatra dia efa lasa faritra mena, izay tsy vao izao akory, iny faritra Besarety sy ny manodidina iny. Ny alarobia alina teo tokoa, tokony ho tany amin’ny 11 ora sy sasany alina tany ho any, dia taxi iray no nendahina telo lahy. Araka ny fantatra dia noheverin’ity mpamily fiarakaretsaka fa “client” ireto lehilahy telo nanakana azy, teo Mahavoky. Vantany vao nijanona ilay taxi, dia zava-maranitra no niantefa teny aminy. Notakian’ireo jiolahy ny vola rehetra tany amin’ity mpamily ity ary nilefa nitsoaka tany amin’ireo elakelan-trano teny an-toerana izy ireo, niaraka tamin’ireo taratasin’ny fiara rehetra. Niantso avy hatrany ity mpamily ity, ary soa ihany fa nisy mpitandro filaminana teo akaiky teo. Raikitra ny fifanenjehana, nipoaka ny basy ho fampitandremana an’ireo tontakely nanao tsoa-pe. Tsy lasa lavitra ny roa tamin’izy ireo fa teo akaiky teo ihany dia tratra. Ny iray kosa no nifanenjahana tany anaty elakelan-trano rehetra tany. Ary nony farany dia voasambotra ihany. Tsy nisy rà latsaka, tsy nisy aina nafoy aloha, ary efa naverina tamin’ny tompony ireo entana nalain’ireo mpanendaka ireto. Ireo fiara mpitondra olona amin’ny alina indray izao no hazan’ireo tontakely, na taxi-be io na fiarakaretsaka. Vao haingana ihany koa mantsy no nojifain’ireo olon-dratsy avokoa ny vola versement tany amina taxi-be iray, sendra niasa alina, teny Avaradoha teny. Eo anatrehan’izay dia misy fepetra noraisin’izy ireo na dia tsy mahazo zato isan-jato aza izany, raha ny filazana mpamily fiarakaretaka iray. Anisan’izany ny tsy fandraisana olona mampiahiahy amina faritra mena sy tsy fanasiana solika betsaka anaty “reservoir”.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser