- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMahavoky : Tsy ampy taona roa lahy tra-tehaka nibizina rongony

Mahavoky : Tsy ampy taona roa lahy tra-tehaka nibizina rongony

Tsy kely tsy lehibe. Roa lahy, 15 sy 16 taona no tra-tehaky ny pôlisy nitondra rongony teny amin’iny faritra Mahavoky iny. Efa mpamerin-keloka ilay zalahy kely ireto raha ny fantatra. Ny alarobia teo izy ireo no voasambotra araka ny tati-baovao azo avy amin’ny pôlisim-pirenena. Tamin’ny fisafoana nataon’ireo mpitandro filaminana ireo no nahatsikaritra fihetsika hafahafa tamin’ireto bandy kely ireto izy ireo. Ny andro rahateo efa alina. Tsy izy roa lahy ihany moa no niaraka tamin’ireo fa narahana tovolahy iray 21 taona izy ireo tamin’izany. Nanatona avy hatrany ireo pôlisy ary nanatanteraka fisavàna. Mbola tratra tany amin’ireto farany ny rongony fonosana lehibe iray. Niaiky moa izy ireo fa azy ilay rongony ary novidiany tamin’ny ramatoa iray teny Masikara. Marihana fa efa niditra am-ponja telo volana tany Anjanamasina ireto zaza tsy ampy taona ireto tamin’ny taona 2018 noho io resaka fidorohana sy famarotana zava-mahadomelina io kanefa dia mbola izao tratra izao indray.

nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici