- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahazo : Mpivarotra finday hosoka voasambotra

Mahazo : Mpivarotra finday hosoka voasambotra

mivadika ho savony, firatra, tapa-biriky, hazo, sns, izay nampalaza ny teny amin’iny faritra Petite Vitesse iny, nisy fotoana. Ity iray ity kosa indray tetsy Mahazo, navadikan’i Ranamana ho « coque » fotsiny indray ireo finday lafony, rehefa eny am-pelan-tanan’ilay olona nividy. « Efa maro ireo efa tratrany hoy ny zandary fa mba anjaranay indray no nahatratra azy ». Ny andron’ny alahady lasa teo, tetsy amin’ny toby fiantsonan’ny taxi-brousse miantsinanana iny no voasambotra ny tovolahy iray 25 taona. Mpisoloky raindahiny amin’ny resaka fivarotana finday tsy izy. Taorian’ny fitarainana nataon’ny olona iray lasibatr’ingahirainy no nirotsaka hatrany teny an-toerana ireo zandary avy etsy amin’ny zana-tobim-paritra Soamanandrariny. Nanao ny fanaraha-maso ary nametraka paik’ady isan-karazany entina hanatratrarana ity olon-dratsy ity. Tra-tehaka tamin’ny tsy nampoiziny tokoa ranamana ka dia io noraisim-potsiny io. Mpivarotra « telephone » izy ary miezaka mampiresaka ireo olona sendra azy. Marihana fa saika olona handeha na vao tonga no saika mivezivezy eny amin’io faritra io, izany hoe jereny tsara ireo olona maika. Rehefa iny raiktra iny ny fifampivarotana no haingana dia haingana ny hanaovany fahangikan-tanana, manova an’ilay finday tena izy amin’ireo « coque » na tranona finday mitovy habe amin’ilay telephone novidian’ilay olona. Fonosany tsara mihitsy izany ary tsy hahatsikaritra an’iny ilay mpividy raha tsy lasa izy na any amin’izay misy azy any. Raha hiverenana moa dia mazava ho azy fa efa tsy eo intsony amin’ny toerana nahitàna azy intsony ingahirainy ary nanjavona tanteraka. Tamin’ity indray mitoraka ity, dia tsy nanaraka ny « kajiny » intsony ny zava-nisy ary izao nitarika tamin’ny fisamborana azy izao. Mbola nahitàna finday sy « coque »-na finday maromaro moa tany aminy tamin’ny fotoana nisamborana azy. Nentina avy hatrany nihazon’ny biraon’ny zandary ity farany ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici