- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahazo : Novonoin’ny namany ho faty fa nanana Ar. 16 tapitrisa

Mahazo : Novonoin’ny namany ho faty fa nanana Ar. 16 tapitrisa

Efa nokarohina izy noho ny vonoan’olona izay nitranga tany Anosibe an’ala. Tambajotra iray no niketrika ity heloka bevava ity ary izày dia mba hahazoana ny vola izay mitentina 16 tapitrisa ariary izay an’ny tovolahy iray vao erotrerony (20 taona) mba hitady vola avy amin’ny fividianana volamena. Fitaka avokoa anefa ny tao ambadik’izany ka ny vola lasan’ny mpamono olona ary ny tenany namoy aina. « Ny 21 Desambra 2022 dia naharay fitarainana avy amina fianakaviana iray mipetraka any Ambositra ny teo anivon’ny polisy misahana fanadihadiana momba ny heloka bevava. Nilaza izy ireo fa naharay Sms mitaky vola roanjato tapitrisa ariary ho solon’ny famotsorana ny havan’izy ireo (ilay tovolahy 20 taona izany) », raha araka ny fanazavan’ny polisy izay nanokatra fanadiadihana avy hatrany. Nanomboka teo no nahafantatan’ny polisy fa niaraka tamin’ny namany miisa roa ity tovolahy ity. « Niala tao Ambositra mba ho any Anosibe an’ala hividy volamena ary niaraka tamin’ny vola 16 tapitrisa Ariary. Rehefa tonga tany Anosibe an’ala ny Polisy dia hita ilay trano nivantanan’izy ireo ka lehilahy miisa 02 no hita tao . Tao anaty famotorana no nilazan’izy ireo fa nampiantrano ity tovolahy ity sy ireo namany izy ireo ary ireto namany ireto no nasaina namono azy hangalana ilay vola nolazaina fa hividianana volamena . Nilaza ihany koa izy ireo fa ny 19 desambra io famonoana io no natao ary ny 21 desambra no nandefasana ilay SMS hitakiana vola roanjato tapitrisa ariary », raha ny fitantaran’ny polisy hatrany. Nosamborina avy hatrany ireo roalahy voalohany saingy ireo hafa izay miisa namono mivantana kosa dia tsy tratra tany an-toerana intsony. « Nitohy ny fanadihadiana ka ny 24 desambra lasa teo no hitan’ny Polisy tao anaty lavaka fitrandrahana volamena tao Anosibe An’ala ny vatana mangatsikan’ilay tovolahy. Nokarohina kosa ireo namono azy ka ny faran’ny taona teo no voasambotra tany Ambositra ny iray voalohany ary efa MD. Ny faharoa kosa dia sarona tetsy Mahazo omaly » raha araka ny polisy hatrany.

D.R

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici