- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMahazo : Polisy nitondra môtô matin’ny lozam-pifamoivoizana

Mahazo : Polisy nitondra môtô matin’ny lozam-pifamoivoizana

Maty rehefa tonga teny amin’ny hôpitaly ity polisy iray niharan’ny lozam-pifamoizana teny Mahazo omaly marina. Araka ny filazan’ny olona nahita maso ity loza ity, saika hisongona kamiao ilay polisy nitondra môtô Scooter, kanjo nianjera ka voahitsaky ny kodiaran’ilay fiara be tao aoriana. Tafajanona ilay fiara nahita ilay polisy nianjera. Nifamonjena izy efa tsy nahatsiaro tena ary nalefa haingana teny amin’ny hôpitaly. Voalaza fa namoy ny ainy izy taorian’izay. Toe-javatra efa mpiseho matetika eto amintsika ny loza ateraky ny môtô, ary anisan’ny hamoizana ain’olona maro mihitsy. Samia mitandrina ny rehetra, ary nanentana ny amin’izany hatrany ny mpitandro filaminana, saingy tamin’ity kosa dia polisy no tra-doza. Noho izany, ny rehetra dia samy mety ho tratran’ny loza tampoka, indrindra ny môtô izay anisan’ny be mpampiasa indrindra amin’izao. Maro ny tsy manana fahazoan-dàlana hitondra môtô akory. Tsy misy rahateo ny fepetra mametraka fa tsy maintsy mila izany ny familiana kodiaran-droa. Ny tsy fahafehezana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, ny tanjaky ny môtô mihoatra amin’ny tokony ho izy, ny tsy fanajana ny hafa, ny fahamaikana be loatra no anisan’ny miteraka ny loza. Eo ihany koa anefa ireo hafa mpampiasa ny arabe mba samy hifampitsinjo satria aina no mety hafoy ao anatin’ny indray mipi-maso. Araka izany, samy tompon’andraikitra ny rehetra amin’ny loza mety hiseho. Ny fitandremana sy ny fifanentanana, mba ho lavitry ny loza ny rehetra.

Yv Sam

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici