Omaly maraina tokony ho tany amin’ny 10 ora tany ho any, nisehoana loza nahafaty olona teny Mahazo. Vehivavy iray tamin’ny sisin-dalana no nodomina camion iray. Rehefa izany dia voalaza fa nianjera io olona io ary voahosin’ny kodiarana. Maty tsy tra-drano izy vokatr’izany. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa tsy hitan’ny mpamily akory izany fisehoan-javatra izany. Olona hafa no nilaza taminy fa nanitsaka olona ny fiara nentiny. Somary teritery ny lalana eny Mahazo eny ka sahirana na ny mpitondra fiara na ny mpandeha an-tongotra.
r.s.