Tena tranga tsy dia fahita saingy misy mandavan-taona ny fifamosaviana eo amin’ny mpiara-monina, ka tranga azo lazaina fa manimba ny fiaraha-monina ity tranga niseho tao Ambolomadinika Toamasina ity. Tamin’ny voalohany, tsy nifefy ny misy ny trano fipetrahan’ity ramatoa iray sy ny zanany noho ny fifampitokisana teo aminy sy ny mpiara-monina taminy. Taty aoriana anefa nisy nanao maloto ny tokotaniny, ka nanampa-kevitra izy hamefy ny tranony. Ny alatsinainy teo anefa dia nisy zavatra nalevin’olona, nahitana taimbakoka sy ranomanitra ary vola roampolo miisa telo natambatra tamin’ny lakoly, sy vola ariary zato tapaka tao anatin’ilay boaty kely, hita tao anatin’ny tany teo an-tokotaniny. Ny nahagaga dia tonga dia fanina ilay ramatoa raha vao nahita ilay boaty kely nisy ireo zavatra voatanisa ireo, ary taorian’izay dia tsy salama ny tenany sy ireo olona rehetra tao an-trano. Taorian’ilay nisy nanao maloto tao anatin’ny tokonaniny, narary lava izy rehetra tao anatin’ilay trano, nefa salama tsara tsy mba marary izany talohan’izany rehetra izany. Manahy mafy vokatr’izany ilay tompon’ny fefy fa misy olona mifanakaiky amin’izy ireo mamorika azy ireo, ka mangataka fifanampiana amin’ny manodidina azy ireto fianakaviana ireto ankehitriny.
Malala Didier