- Publicité -
samedi, mai 31, 2025
AccueilFaits-DiversMAHAZOARIVO ANTSIRABE : Lalana mirefy 1km sy sasany hatao “beton”

MAHAZOARIVO ANTSIRABE : Lalana mirefy 1km sy sasany hatao “beton”

Efa ela no niandrasan’ny maro izay mety ho fanamboarana ny lalana  Mahazoaro satria  an-taonany maro no tsy nisy nikitika ity lalana izay efa potika tanteraka ity. Saika kobaka am-bava no nataon’ireo mpitondra nifandimby teo aloha fa tsy nisy nahavita hatramin’izao.

 Ho afa pasahiranana ny mponina ato ho ato satria dia nahazo fiaraha miasa vaovao tamin’ny orinasa Cementis indray ny fiadidiana ny tananan’Antsirabe hanamboarana ity lalana ao Mahazoarivo ity. Hatao beton avokoa ny lalana mirefy 1km sy sasany,  manomboka eo Mahazoarivo izany ka hifarana eo Ambohimiandrisoa. Vita Sonia tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fiara miasan’ny roa tonta ka nanoloran’ny orinasa Cementis simenitra milanja 450 taonina. Nipetraka ny fifampitokisana tamin’ny mpira miombin’antoka mahakasika ny fitantanana hoy ny ben’ny Tanana Dr Unoh matoa misy izao fiaraha miasa izao satria raha tsiahivina hoy izy dia vao haingana ny orinasa no nanolotra simenitra lasaka maro nanamboarana ireny “panneau de signalization” hita eto Antsirabe ireny.

Hanome asa ho ana tanora miisa 50 eo ity fanavaozan-dalana  ity satria tsy hampiasa “bétonnière” ny  tompon’andraikitra fa olona no ampiasana. Haharitra 12 volana ny fanamboaran-dalana, marihina fa somary midadasika ihany ity lalana ity satria mahatratra 8m40 ny sakany. Ankoatra izay dia mitohy hatrany ny fanamboaran-dalana amin’ireo faritra maro eto Antsirabe sy ny manodidina. Isan’izany ny fandrakofana tara ny lalana simba ao Tsarasoatra, ny lalana mihazo makany amin’ny abattoir sy Ambohidravaka sy ny maro hafa raha tsy hitanisa afa tsy ireo.

Fa ankoatra ny asa fanamboaran-dalana dia maro lafy hoy ny ben’ny Tanana ny fanarenana natao na anatiny na ivelany tao anatin’izay roa taona nandraisany ny fahefana izay. Nahavita tena tamina lafin-javatra maro ny kaomininana raha tsy hiteny afa tsy ny fandoavana ny fisotroan-dronon’ireo mpiasa izay mitetina miliara maromaro hoy hatrany ny ben’ny Tanana, tsy mora ny mitantana hoy izy ary tsy voatery hamoaka ny volan’ny kaominina rehefa tojo fasahiranana fa ny any ampaosy no avoaka. Tsy vaovao amiko rahateo izany fa fony tsy mbola ben’ny Tanana ny tenako dia efa nahavita zavatra maro, toy ny sekoly, tetezana sy fanampiana ireo mpitia fanatanjahan-tena izay efa nibata amboara maneran-tany hoy ingahy mera.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici