Fivarotana iray indray no lasibatry ny asan-jiolahy omaly maraina be tao Mahazoarivo. Tapitra noraofin’ny jiolahy avokoa ny entana rehetra sy ny vola tao amin’ilay trano fivarotana.
Vao omaly no notanterina teto fa toeram-pivarotana zava-pisotro iray no nisy namaky tao Mahazoarivo tao dia ity indray fa toeram-pivarotana tsy dia mifanalavitra loatra aminy koa no nisy namaky ny alin’ny Alakamisy hifoha zoma teo. Toeram-pivarotana enta-madinika sy vary ary voamaina ity nisy namaky ity. Mihidy cadenas misy « alarme » ity fivarotana ity saingy tsy nahoan’ireo jiolahy izany na dia naneno sy nikiririoka mafy aza. Raha ny fanazavan’ny olona teny an-toerana, dia henon’ny manodidina teo an-toerana ihany ilay “alarme” saingy noheverin’izy ireo fa fiara ka tsy nisy taitra. Ny maraina vao gaga ny mpiaray tanàna nahita ny fivarotana nibanaka. Tapitra noraofin’ireo jiiolahy rehefa entana toy ny vary amin’ny gony, siramamy, kafé menaka amin’ny bidon, izany hoe nanam-potoana ireo jiolahy nitaomana ny entana. Ankoatra izay vola anetsiny maromaro koa no very raha ny filazan’ny tompon-trano.
Mitaraina ireo mponina ao Mahazoarivo satria asesin’ny jiolahy robaina ny fivarotana sy trano fonenana. Efa nisy hoy ireo mpivarotra ny fitarainana napetraka ary antenaina fa hisy vokany tsy hoe ela izany.
Andry N.