- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMahazoarivo Antsirabe : Trano am-polony levon’ny afo

Mahazoarivo Antsirabe : Trano am-polony levon’ny afo

Nitrangana haitrano mahatsiravina indray teto Antsirabe ny arivan’ny Sabotsy lasa teo, trano miisa 14 no indray levon’ny afo tao Mahazoarivo. Tao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Paska mihitsy no nitrangan’ity loza mahatsiravina ity tao Mahazoarivo. Tokony ho tamin’ny 4 ora hariva no nanomboka tazana ny setroka nivoaka tao amina trano iray, minitra vitsy monja dia nijoalajola ny afo, nahatratra efa ho 12 metatra mahery ny haavon’ny lela-afo raha ny fahitana azy. Nandrivotra rahateo ny toetr’andro tamin’io fotoana io ka vetivety dia nihitra be ny afo ary tsy voafehy intsony, trano vita amin’ny hazo rahateo ny manodidina azy ka nanano sarotra ny namehy ny afo. Tsy nisy azo natao fa nitaza potsiny ny fokonolona nanolona ny afo be mijoalajoala, ny fitaovana kely teo  am-pelatanana no nammpiasana mba tsy hitaran’ny afo nefa tsy nahavita na inona na inona izany nanolona ny firehetana be. Niandry ny fahalevonan’ny afo ny rehetra ary namoaka ny entana tao an-trano ny manodidina ny toerana nisehoan’ny loza. Raha ny fanazavan’ny iray tamin’ireo niharam-boina dia trano miisa 14 no kilan’ny afo ny roa tamin’ireo no trano boriky. Tao ny mpivarotra kafé sy mofo, Mpanety, Bara, Mpanjaitra , mpivarotra provandy sy enta-majinika , ary orinasa mpanao vy , tapitra may levon’ny afo avokoa ireo rehetra ireo, tsy nisy azo noaraisina mihitsy fa dia ny akanjo teny ankoditra sisa tavela. Marihina moa fa tsy manana ireny fiara mpamonjy voina ireny ny kaominina Antsirabe ambonivohitra, tanan-dehibe faharoa eto Madagasikara   hatramin’izay ka hatramin’izao. Efa nisy ny fanambarana nataon’ny mpitantana ny tanana fa ho avy ny fiara nefa toa zary kobaka am-bava fotsiny ihany izany, nisy fotoana aza moa efa nisy ny fanofanana tanora maro teto Antsirabe amin’ny famonjena trano may  fotana maro lasa izay fa dia tsy nisy tohiny intsony izany fa maty an-karanany teny. Fiara fanamboaran-dalana izao no azon’ny kaominina tamin’ny alalan’ny CLD nefa iaraha mahita toy ny vay an-kandrina koa ny fahapotehan’ny lalana eto Antsirabe, ary tany sisa no hanotorana ny lalana feno lavaka talohan’izao fetin’ny Paska izao. Soa aloha fa tsy nisy ny aina nafoy na ny naratra fa ny fahavoazana no be.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici